<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>50</hymn_number>
<title>N'AIZA N'AIZA JESO ASAFA50</title>
<lyrics>[V1]
 N'aiza n'aiza Jeso itoeranao,
 Sambatr'eo akaikinao ny mpanomponao,
 Ota tsy tafiditr'ao, loza tsy hanjo,
 Eo no paradisa fanaperan-tsoa.

[C1]
   N'aiza n'aiza Jeso no misy Anao,
   Mamy lalandava ny eo akaikinao.

[V2]
 N'aiza n'aiza Jeso hitarihanao,
 Sahy ny mpanomponao, homba anao izao,
 Na mamaky afo na mita rano be,
 Afa-tahotra aho miaraka Aminao.

[V3]
 N'aiza n'aiza Jeso hanirahanao,
 Vonona aho Tompo ô hankato Anao,
 Hisarahana avokoa izao rehetra izao,
 Nefa tsy irery izay akaikinao.

[V4]
 N'aiza n'aiza Jeso, eo akaikinao,
 Velona aho Tompo ô ! Eo akaikinao,
 Eny raha ho faty koa mbola akaikinao,
 Tokan-teny aho, eo akaikinao.</lyrics>
<author>Tsy fantatra</author>
</song>